Mila mailo ny rehetra fa mbola mitoetra eto amintsika ny valanaretina Covid-19 ary mamono mihitsy. Tokony samy hanaja ny fepetra tsy hiparitahan’ny tsimokarertina ny isam-batan’olona.
Nisy mararin’ny Covdi-19 iray indray maty tao anatin’ny herinandron’ny 26 novambra ka hatramin’ny 2 desambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly.
Roa ny marary mbola anatin’ ny tranga misy fahasarotana ary 473 ireo marary mitondra ny tsimokaretina amin’ izao fotoana izao. Nahatratra 229 ny tranga vaovao hita tamin’ny fitiliana 1334 vita. Toy ny mahazatra, eto Analamanga ny tranga 188 amin’ ireo, 14 any Diana, sivy any Vakinankaratra, enina ao Boeny. Samy nahitana tranga vaovao telo ao Androy sy Atsinanana. Tranga iray voatily tany Sava, Menabe, Itasy, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana ary Analanjirofo. Niakatra ho 12 ny faritra misy ny valanaretina raha 10 izy, ny herinandro farany. Niakatra koa ny isan’ny tranga vaovao. Nanomboka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny 2 desambra lasa teo, 67 488 ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina, namoy ny ainy ny 1413 tamin’ireo ary sitrana ny 65 602.
Miakatra isan-kerinandro ny isan’ny tranga vaovao sy ny faritra ahitana azy ka nahatonga ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Arivelo Zely hanentana ny rehetra hamerina ny fitondrana arovava orona sy ny fiarovan-tena hafa toy ny vaksiny sy ny fampiasana ny CVO. Mbola ambany be (7%) ny tahan’ny olona nahavita ny fatra feno tsy afaka miaro ny mponina rehetra. Mitohy miasa avokoa ny toeram-pandraisana ny olona hanao vaksiny rehetra manerana ny Nosy, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Vonjy A.