Akaiky fety: mahaliana ny vehivavy ny fikarakarana volo

Rehefa volon’andro fety toy izao, maro ny vehivavy mikarakara volo: manatsotra, mandoko, manao “curly”, sns. Ilaharana ny toeram-panaovam-bolo sy tarehy eto an-dRenivohitra, raha ny fanadihadiana natao. “Mila fantenina tsara ny “salon” hidirana mba tsy hanimba ny volo sy ny tarehy”, hoy ireo nanontaniana. Manomana vola manokana hikarakarany ny endrika amam-bikany ireo andriambavilanitra. Ho an’ny “salon de beauté” matihanina manodidina ny 25 000 Ar hatramin’ ny 60 000 Ar ny omanina amin’ny taovolo. Mahatratra hatramin’ny 100 000 Ar mahery raha sady manao volo no manao tarehy. “Mahatonga ny fahalafosana ny akora ampiasaina”, raha ny fanadihadiana natao. Misy ny tsy mahatakatra, misafidy toerana zakan’ny fahefa-mividiny.
Manao volo indroa isan-kerinandro ny olona manam-bola, raha indroa isam-bolana ho an’ny tsy manana fahefana amin’izany. Miandry tolotra manokana sy fihenam-bidy ny sasany.

Anisan’ny mandray ireo olona tia mandoko volo, ohatra, ny salon Glad Touch eny Ankadivato. Mampiavaka ity toeram-panaovam-bolo iray ity ny fanomezany lanja ny mahamatihanina azy. “Nan­dranto fianarana manokana tany ivelany momba ny fandokoana volo, fitsaboana ny volo simba ary manao ny karazana “lissage” rehetra izahay”, hoy i Madama Gladys, tomponandraikitra.
Manana toeram-panofanana ho an’izany koa izy ireo, anjara biriky amin’ny famoronana asa sy fanampiana ny tanora.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: