Fe-potoam-piasana vaovao, governemanta vaovao… Mitaky fomba fiasa vaovao izany, na farafaharatsiny ahay, manatsara sy manafaingana kokoa izay tsara vita teo aloha. Na ahoana na ahoana, be mandrakariva izay tsy vita sy miandry mitaha amin’izay kely natomboka. Sanatria, efa zatra ny fanamby sy fampanantenana tsy tanteraka tamin’ny fitondrana nifandimby ny vahoaka? Hany ka malaky mionona sy afapo raha vao misy kely vita, na miavaka, na vaovao… Tsy izany intsony kosa, angamba, amin’izao sisa izao, fa efa lasa tokoa ny zavatra taloha. Indro vaovao ny amin’izao….
Tsy inona fa asa mivaingana, azo tsapain-tanana, azo refesina… Indrindra misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka ho amin’ny tsaratsara kokoa. Izay ilay hoe sosialim-bahoaka. Eo, ohatra, ny fampanjakana ny fandriampahalemana, ny fampidinana ny vidim-piainana na fampiakarana ny fahafaha-mividy, ny famoronana asa… Mahalala izay maharary sy ny hetahetan’ny vahoaka ny mpitondra? Indrindra mahatsinjo mialoha izay mety hitranga… Amin’izay, mba tsy hisy intsony ny hoe politika ivelany, ny famahana olana ampotomoty, ny famonoana afo, ny fomba fiasa afo-mololo na am-boalohany ihany….
Tena ilaina ny fahazotoana sy fitozoana amin’ny asa mitera-bokatra mivantana. Hanao ahoana? Anjaran’ny vahoaka koa ny manara-maso akaiky sy mitohy, tsy voarebireby amin’izay mety ho fihetsiketsehana ivelany, sanatria, na fampandriana adrisa, na fanaovana ampitso ampitso lava… Efa tena lalina sy mahahenika ny maro ary maharitra loatra ny fahantrana sy ny fahavoazana amin’ izany. Anantenana sy iandrasana tamberinan’andraikitra haingana sy maharitra; eny, na hoe mahasarona kilema sy tsy fahombiazana maro aza, ohatra, ny fifampitokisana. Ny asa hita sy vita no hisian’ny fahamarinan-toerana?
R. Nd.