Mba ho laharam-pahamehana

 

Mampalahelo fa nahalavoana indray ny mpitandro filaminana omaly, tany amin’ny faritra Betsiboka. Manamboninahitra iray vao erotrerony no lavon’ny balan’ny jiolahy, nandritra ny fanarahan-dia mba ho famerenana ny fananan’ny lasibatra amin’ny tompony. Marina, mety tsy ampahafirin’ny olona lasibatra sy lavo am-perinasa izy. Tsy sanatrian’ny vava hanararao-paty ka hisintona lakolosy.
Ny trangan-javatra tahaka izao no manaporofo fa taon-trano tsy efan’ny irery ny fitandroana ny filaminana, indrindra any ambanivohitra. Firifiry ny mpamita iraka, na zandary na Tafika izay tratran’ny be no ho vitsy any anaty akata any. Mbola tsy ampy fitaovana sy tsy ampy fiarovana. Ny jiolahy amin’izao fotoana izao anefa, mirongo basy mahery vaika sy mandeha andiany an-jatony. Mbola tombony ho azy ireny ny fahafehezana ny toerana hifanenjehana sy hifampitifirana.
Betsaka ny toby izay ilana famatsiana fitaovam-pitaterana sy fitaovam-piadiana, indrindra izay heverina ho faritra mena. Mila jeren’ny fanjakana akaiky ny fitsinjarana ny fitaovana ampiasaina. Aiza ka eto an-dRenivohitra indray no mifanaretsaka ny fiara tsy mataho-dalana ! Vao mivoaka kely ny renivohitra anefa, misy toby tsy manana na moto iray aza. Toerana izay sady saro-dalana, hanjakan’ny mpanao ratsy, kanefa zary lasa ankilabao.
Soa ihany, vao misy ny fanovan-drafitra lehibe atao eo anivon’ny mpitandro filaminana. Inoana sy antenaina ny fijerena manokana ny fampitaovana hoenti-manatanteraka ny asa, mifanaraka amin’ny filàna any ifotony. Tafiditra indrindra amin’ny laharam-pahamehana telon’ny « fitondrana Rajoelina » izany. Mila fijerena manokana ny maha olona ireny mpiasam-bahoaka, miasa any amin’ny faritra mena ireny. Tsy ho sorona fahatany !

r.r

Partager sur: