Mety hamotika ny 70%-n’ny famokaram-bary eto Madagasikara ilay aretina “Bacterial leaf blight” (BLB) izay ateraky ny Xanthomonas oryzae pv. oryzae (Xoo) sy ny tsipika amin’ny ravina na ny bacterial leaf streak (BLS).
Loza mitatao ho an’ny fambolem-bary rehetra (anaty rano, sakamaina, an-tanety) ireo bakteria ireo. Miparitaka haingana sy miteraka fahaverezam-bokatra mihoatra ny 70% ny BLB raha toa ka manodidina ny 15-20% kosa ho an’ny BLS izay miankina amin’ny karazam-bary sy ny toetr’andro. Ny taona 2019 no hita soritra tao Vakinankaratra ny BLB, taorian’ny fikarohana nataon’ny Fofifa sy ny Institut de recherche pour le développement (IRD) ny aretina.
Mbola vitsy ny fampahafantarana ireto aretina mpahazo ny vary ireto eto Madagasikara na ny fanoherana ireo karazam-bary misy izany. Mbola tsy fantatra ihany koa ny fanafody entina misoroka ny bakteria mety hanimba ny fambolena. Nisy ny hetsika nokarakarain’ny IRD tetsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny sabotsy teo, izay niarahana tamin’ireo mpikaroka samihafa niresahana momba ny BLB. Novoaboasan’ny Dr Raveloson Herinjaka, sady mpikaroka eo anivon’ny Fofifa Antsirabe ny momba ireo aretim-bary ireo. Mamely ny ketsa sy ny vary ny BLB. Manopy mavo hatramin’ny fotsy na volondavenona ny ravina vary marary. Manambara ny famelezan’ny Xoo ihany koa ny piti-drano miloko mavo. “Anisan’ny manaparitaka io aretina io ny masomboly sy ny ahi-dratsy isan-karazany”, hoy ny Dr Raveloson Herinjaka. Notohizany fa misy ireo ahi-dratsy afaka mitahiry ireo aretina ka mamindra izany amin’ny vary hafa. Mbola anisan’ny manaparitaka ny aretina ihany koa ny rano hanondrahana ny vary.
Fepetra raisina
Soritra iadivana ny aretina ny fampiasana ny vary mahazaka izany. Hatramin’izao nefa tsy mbola misy mahazaka ny aretina ireo karazam-bary misy eto Madagasikara. Manoloana izany, hanohy ny fikarohana ny Fofifa hiadina amin’ireto bakteria ireto. Nilaza ny mpikaroka fa misy ireo karazam-bary dimy avy any ivelany afaka miady amin’ny aretina.
Henintsoa Hani