Nambaran’ny federasiona malagasin’ ny Volley-ball ofisialy, omaly, teny amin’ny foiben’ny KOM (Komity Olympika Malagasy) Ivandry, fa handray ny CCC-CAVB Zone (Championnat des Clubs Champions), Zone 7, andiany faha-28, i Madagasikara.
Ny 23 febroary izao hatramin’ny 2 marsa no hanaovana izany eto Antananarivo. Toeram-pifaninanana 3 no efa tapaka fa handray ny lalao, dia ny ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, “Grand Palais” sy “Petit Palais”, ary ny eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Hisy ihany koa ny toerana hanaovana fanazarantena, izay hatao eny amin’ny ANS Ampefiloha. Marihina fa efa nifarana ny 15 janoary ny fandraisana ny anaran’ny ekipa handray anjara amin’izany, ka 27 no nandefa, saingy mety mbola hisy fiovana amin’ny ora farany, araka ny fanazavana. Ho an’i Madagasikara kosa, efatra ny ekipa vehivavy efa ofisialy fa handray anjara, ahitana ny GNVB, ny ASI, ny Stef’Auto ary ny Squad. Ekipa 2 kosa hatramin’izao ny eo amin’ny sokajy lehilahy, ahitana ny GNVB sy ny ASI. Mbola azo ampiana kosa ny ekipa lehilahy izay miankina amin’ny fahafahana na tsia ho an’ireo ekipa avy amin’ny Nosy rahavavy. Araka izany, manodidina ny 650 eo ny mpilalao hifaninana. Raha ny fandaharam-potoana kosa, ho avy herinandro mialoha eto Madagasikara ny mpikambana Teknika avy eo anivon’ny CAVB hanao fitsidihana ny kianja hilalaovana sy ny fanomanana rehetra. Hatao ny 23 febroary kosa ny fivoriana ara-teknika ary hitohy hatramin’ny 2 marsa ny fifaninanana.
Miantso fanohanana
Manao antso avo amin’ny mpiara-miombon’antoka, ny orinasa tsy miankina ary indrindra ny fanjakana ny federasiona malagasin’ny Volley-ball, mba hifanohana amin’ny fandraisana ity lalao goavana ity. Tombony ho an’i Madagasikara ny fandraisana lalao iraisam-pirenena toy izao. Raha ny tokony ho izy, tany La Réunion no nanaovana ny fifaninanana saingy tsy tanteraka izany noho ny olana amin’ny fikarakarana taratasy. I Madagasikara, araka izany, no voafidy ho mahafeno ny fepetra fa handray ny CCC-CAVB Zone 7, andiany faha-28.
Mi.Raz