Tontosa ny sabotsy sy ny alahady teo, teny amin’ny kianja mitafo ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton, sokajy “senior” lahy sy vavy. Mbola voatazon’i Thierry (St Jo Mahamasina) ny maha tompondaka azy, teo amin’ny “série A” lehilahy. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 1 (21/16 ; 21/23 ; 21/19), i Keman (Baobad).
Niova kosa ny lohany teo amin’ny sokajy vehivavy. Lasan’i Soaniaina (MB2 All) ny amboara rehefa nandavo an’i Stephania MB2 All ihany, tompon’ny anaram-boninahitra farany. Mbola nisongadina kosa ny SCI Itaosy, teo amin’ireo sokajy hafa. Amboara efatra no indray lasany, tamin’izany. Anisan’izany ny “série B” vehivavy, azon’i Fanirihasina rehefa nandresy an’i Sitraka, SCI Itaosy ihany. Teo koa ny “vétéran” lahy, lasan’i Mon Claire. Lasan-dry zalahy ihany koa ny “série C” lahy, tamin’ny alalan’i Lahatra ary ny “série C” vavy, azon’i Jennifer.
Diary, mpilalaon’ny St Jo Mahamasina no tompondaka teo amin’ny “série B” lahy ary i Sahondra (Baobad) ny sokajy “vétéran” vavy. Ankoatra izay, notanterahina ny sabotsy lasa teo ihany koa ny fivoriambe ara-potoanan’ny federasiona ka mbola nahazo ny fankatoavan’ny ligy efatra : Analamanga, Vakinankaratra, Antsiranana ary i Alaotra Mangoro, ny fitantanan-dRavalison Jean Aimé.
Tompondaka