Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray teny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly. Tovolahy iray 18 taona nazeran’ny moto ka nifatratra tany ambany kamiaobe. Olona iray hafa koa namoy ny ainy tao Mandraka raha 10 naratra mafy.
Nandriaka ny ra ! Maty tsy tra-drano ilay tovolahy 18 taona mbola mpianatra tratran’ny lozam-pifamoivoizana teny Lalam-baovao, omaly atoandro. Avy nianatra teny Alarobia, ka nandalo an’i Tsarasaotra hihazo an’Ivato izy sy ny namany tamin’io fotoana io. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisy misahana ny lozam-piarakodia, mpinamana izy ireo no niaraka nandeha moto. Nisy ny fifanenjehana teny an-dalana sady samy nitsapa ny tanjaky ny moto-ny avy. Vokany, tsy nahatana ny familiana intsony ilay tovolahy niharam-boina ka nifatratra tany ambany kamiaobe. Maty ilay tovolahy, tapatapaka ny vatany, nandriaka nanerana ny arabe ny ra. Ny lohany no tena voa mafy ka nitarika ny fahafatesany, raha ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Malalaka rahateo ny lalana ka alaim-panahy ny ankamaroan’ireo mpampiasa lalana hampiakatra ny hafainganam-pandeha.
Olona iray koa maty tao Mandraka…
Mpandeha iray koa maty raha 10 hafa naratra mafy (hatramin’ny 8 ora sy 20 mn omaly hariva io). Io no vokatry ny fifandonan’ny taksiborosy sy kamiaobe iray tao Mandraka, kaominina ambanivohitr’Ambatolaona, distrikan’i Manjakandriana, omaly tamin’ny 4 ora sy 30 mn hariva. Fiara taksiborosy iray avy any Moramanga hihazo an’Antananarivo no nifanehatra tamin’ny kamiaobe tapaka rotule tampoka teny am-pandehanana. Tsy afa-niala intsony ilay taksiborosy ka nifandona tamin’ity kamiaobe ity. Olona iray maty tsy tra-drano raha 10 hafa naratra mafy, araka ny tatitra voaray avy amin’ny zandary. Nanahirana ny famoahana ireo mpandeha tao anaty fiara satria enina no tafavoaka voalohany, ny ambiny kosa nosokirina tao anaty fiara. Nentina haingana namonjy ny hopitaly Manjakandriana ireo naratra, nisy kosa ireo tsy maintsy nakarina aty an-dRenivohitra noho ny ratra mafy nahazo azy ireo.
J.C