Nikasa hisoloky vola 800 000 Ar tamina Cash point, vehivavy roa tratran’ny fokonolona tetsy Antaninarenina, omaly. Nanatona kioska fandefasam-bola izy roa vavy. Handefa vola mitetina 200 000 Ar isanisany ho an’ny sefo fokontany maromaro ireto vehivavy ireto, araka ny fifanarahany tamin’ny mpampiasa azy. Efa nisy ny sora-bola, araka izany, anaty findain’izy ireo maneho fa misy ny vola hampiasaina. Nandefa vola mitotaly 800 000 Ar ilay mpiasa amina Cash point. Nitaky io vola efa nalefany tamin’ny laharana finday efatra samihafa nomen’ireo roa vavy izy. Nojerena anefa ny findain’ireo mpisoloky saingy tsy nisy afa-tsy hafatra miafina tsotra. Tsy vola araka ny niheveran’ilay mpiasan’ny kioska. Niantso ny manodidina avy hatrany ilay lasibatra. Nandray an-tanana ny raharaha ny polisy. Tsiahivina, mpanao Cash point iray hafa niharan’ny tranga tahaka izao tao Androhibe, ny volana desambra 2023 teo.
Tsiferana R.