Niakatra fampanoavana tao Ankazobe, omaly, ireo olona sivy voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ny famonoana ben’ny Tanàna iray tao amin’ny kaominina Andranomiely. Miaramila dimy notanana eny Tsiafahy.
Voatana vonjimaika any Tsiafahy avokoa, omaly, ireo miaramila DAS miisa dimy niasa tao amin’ny kaominina Andranomiely, noho ny raharaha vono olona nahatsiravina nahavoasaringotra azy ireo. Olona sivy nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava. Sefo fokontany ny roa raha toa ka miaramila ny dimy lahy ary olon-tsotra roa hafa ireo ahina ho nanao io habibiana io. Anisan’ny vesatra hiampangana ireo olona sivy ireo ny firaisana tsikombakomba sy famonoana io ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Andranomiely io, ny 7 janoary teo. Nanery olona handoa vola tsy ara-dalàna ihany koa izy ireo. Vokany, miandry ny fotoam-pitsarana azy eny Tsiafahy ireo miaramila DAS dimy lahy. Nohazonina ao amin’ny fonjan’Ankazobe ireo sefo fokontany roa sy ny olon-tsotra iray. Nahazo fahafahana vonjimaika saingy arahi-maso ara-pitsarana kosa ny olona iray.
Asa an-terivozona mandra-pahafaty
“Tsy miaro olon-dratsy ny Foloalindahy. Raha nisy tsy nety nataon’ny miaramila dia tsy maintsy ampiharina ny sazy sahaza azy”, hoy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahavelo Monja Delphin, tetsy Ampahibe, omaly. Hatramin’izao, tazomina noho ny ahiahy ho nahavanon-doza ireo olona valo any am-ponja ireo. Notsindrin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana ao Ankazobe fa sazy an-terivozona mandra-pahafaty ny miandry ireo nahavanon-doza raha toa ka voaporofo ny mahameloka azy ireo. Manohy ny fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity, araka izany, ny mpitsara mpanao famotorana ao an-toerana.
Tsiferana R.