VAOVAO TAMBATRA

Tsy andoavam-bola intsony eny amin’ny masoivoho Jirama eny Mahazo. Eny amin’ireo Cash point nahazo alalana indray no handoavam-bola manomboka ny 23 janoary, izay mbola fanombohana ny tetikasa Jirakaiky, dia : Ampasampito (manoloana ny arrêt bus), Ampasampito (akaiky météo), Andraisoro (manoloana ny fokontany), Mahazo (manoloana taksiborosy), Nanisana (akaiky sapin), Ambohimangakely (akaiky tetezana).

Mpivarotra iray no tratra nampiakatra ny vidim-bary teny amin’ny tsenan’Anosibe, omaly, nandritra ny fitsirihan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MICC). Nampitoviany amin’ny vidin’ny vary «stock» ny an’ny vary SPM, izay tokony ho 2 700Ar.

Hojerena ny paikady hanapariahana ny tetikasa “Fihariana” manerana ny distrika 119, mandritra ny taona 2024. Hamafisina ny fampiroboroboana ny kolontsain’ny fandraharahana manerana ny Nosy ho fanohanana ireo Malagasy mpandraharaha.

Karatany 5 000 no hozaraina ao amin’ny kaominina Ambohimitombo I sy Antoetra (faritra Amoron’i Mania) sy Mahatsara Atsimo ary Antsenavolo (faritra Vatovavy) mialoha ny volana aogositra. Hetsika santatra karatany faobe tohanan’ny fandaharanasa DEFIS, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae), vatsian’ny FIDA ara-bola miaraka amin’ny FAO.

Partager sur: