Tafakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny sarimihetsika malagasy. Rajaonarivelo Felana no mitondra ny anaran’i Madagasikara eto, mandritra ny “Festival international des films des femmes 2024”.
Anisan’ny voafantina hiatrika ny «Festival international des films des femmes 2024” (FIFF), ny sanganasan-dRajaonarivelo Felana, Malagasy mpanatontosa, nampitondrainy ny lohateny hoe « Debout ! ». Ity hetsika lehibe ity izay karakarain’ ny fikambanana EcranBenin, hotanterahina ny 20 hatramin’ny 24 febroary 2024, any Cotonou, Bénin. Sarimihetsika miisa 18 no hifaninana amin’izany ka anisan’ny sivana amin’ny fifantenana ny maha sarimihetsika notontosaina vehivavy azy. Omaly, nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ireo horonantsary voafidy hiatrika ny fifaninanana, taorian’ny fifantenana nataon’ny mpitsara.
Fifaninanana natao manokana hanomezana sehatra ireo vehivavy miantsehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika sy ny zava-bitan’izy ireo ny FIFF. Atao isaky ny roa taona, ao Cotonou, Benin izy ity. Ny taona 2019 no nanombohan’ny fifaninanana ary miditra amin’ny andiany fahatelo ny hetsika amin’ity taona ity.
Amin’ny ankapobeny, miresaka sedra sy zava-misy iainan’ny olona eny amin’ny andavanandrom-piainany, indrindra ny an’ny vehivavy, ny sarimihetsika mifaninana sy nifaninana tao anatin’ny FIFF. Raha ny mahakasika ny “Debout !”, an-dRajaonarivelo Felana manokana. Tantarana vehivavy manana fahasembanana miisa efatra no hasongadiny anaty horonantsary fanadihadiana. Miresaka ny sedra iainany eo amin’ny fiainana andavanandro, ny fifaliany sy ny fiaretany ny “Debout !”, ao anatin’ny 19 minitra ny faharetan’ity horonantsary ity. “Ankoatra ny maha horonantsary fanadihadiana azy, fampirantiana sary izay mizara ny fahitako ny atao hoe hatsaram-panahy amin’ny tenantsika sy amin’ny manodidina antsika ihany koa izy ity”, hoy Rajanarivelo Felana, mpanatontosa.
Lin