Fankalazana ny faha-5 taona : manomana seho maro eto sy any ivelany ny Reko

“Reko Tour 2024”. Io no hampisalorana ny fitetezam-paritra sy firenena hataon’ny tarika Reko amin’ity taona ity. Anatin’ny fanamarihana ny faha-5 taona nisian’ny tarika, izay efa natombony tamin’ny fampisehoana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny volana desambra lasa teo, io. “Hivaly ilay fangatahanareo hoe mba tongava aty aminay. Efa tsy andrinay ny hahita anareo amin’ireo fotoana ireo”, hoy ny tarika tanatin’ny fanambarana vao mafana, omaly.
Raha ny filaharana anaty fandaharam-potoana, hisitraka ny fampisehoana amin’ny volana marsa ny tanànan’ Antsirabe sy Toamasina. Any Foulpointe, Sainte Marie ary Antsahamanitra kosa ny volana avrily. Hatokana ho an’ny fitetezam-pirenena any Eo­ropa ny volana mey sy jona, ka ao Frantsa ny tena maro seho. Io volana jona io ihany no kasain’ny Reko hanaovana ny ivon’ny fankalazana eto Antananarivo, avy eo hitohy any Moramanga sy Am­ba­tondrazaka izany; Fiana­ran­tsoa sy Toliara ny volana jo­lay, ary Antsiranana sy Maha­janga ny volana aogositra. Hihazo ny RN1 ny volana septambra, manomboka eo Ime­rin­tsiatosika, Arivoni­mamo, Mi­arinarivo, Analavory ary Ampefy. Any Manakara, Van­gaindrano ary Taolagnaro ny volana novambra ary kasaina hofaranana ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ko­lontsaina Mahamasina ny fankalazana ny volana desambra.
Marihina fa mety mbola hisy fiovana, arakaraka ny zava-misy sy ny mpikarakara ireo fotoana ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: