“Can 2024”: ratsy toerana i Côte d’Ivoire

Niteraka resabe teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany ny faharesen’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, mpampiantrano, tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0, nanoloana ny Nzalang National, Guinée Equatoriale, teo amin’ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024). Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Alassane Ouattara, ny alatsinainy lasa teo.
Tsy manana afa-tsy isa 3 ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ary manify dia manify ny herijika hahafahan’izy ireo miakatra amin’ ny dingan’ny ampahavalon-dalana. Hiankina amin’ny fahavitan’ireo lalao rehetra mantsy ny hahalalana izany. Hiady ny toerana fahatelo tsara indrindra mantsy ry zalahy. Voalohany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra ao Côte d’Ivoire izao faharesena mihoa-pampana be tamin’ny Can izao.
Taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny roa tonta, maro ireo mpilalao ivoarianina nitomany. Na teo aza izany, tsy faly tamin’izy ireo ny mpijery ka nandrabiraby sy nitoraka an-dry zalahy. Voatery narovan’ny mpitandro filaminana ny mpilalao namonjy ny toerana fisoloana akanjo.
Hatramin’izao, firenena 6 no efa tafita amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana: Guinée Equatoriale sy i Nigeria, ho an’ny sokajy “A”. I Cap-Vert sy ny Faraon’i Egypte ao amin’ny vondrona “B”. Ry zareo Sénégal ny vondrona “C” ary i Maroc ao amin’ ny “F”.

Tompondaka

Partager sur: