Fanafihan-dahalo: lelilahy iray voatifitra, olona telo takalonaina

Maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo nitam-piadiana ny raim-pianakaviana iray tao Antanetibe, fokontany Andro­va Atsimo, kaominina Talata Angavo, distrikan’Ankazobe, ny alin’ny talata 24 janoary teo. Niakatra tao an-tanàna ny dahalo maherin’ny 20 lahy. Nirongo basy mahery vaika sy antsy izy ireo. Tsy nisy alaharo, nanapoaka basy sy nampitahotra ireo tokantrano lasibatra ireo olon-dratsy ireo. Olona roa voatifitra tamin’io fotoana io. Vokatry ny fahaverezan-dra be loatra, namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana voatifitra. Voan’ny bala teo amin’ny lohany ny lehilahy iray hafa ka nentin’ny fianakaviany nihazo ny toeram-pitsaboana. Nen­tin’ireo dahalo nandositra nataony takalonaina ny vehivavy miisa telo. Ankizy 16 taona ny iray amin’ireo nalaina an-keriny ireo. Manao hazalambo ireo dahalo naka an-keriny hatramin’ny omaly ny zandary sy ny Tafika any an-toerana. Nahetsika ny angidimby ahafahana misambotra ireo tsy valahara mampihorohoro vahoaka eny amin’io distrika io. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Tsiahivina, vao afakomaly no naiditra am-ponja ireo miaramila mpampandry tany dimy lahy voasaringotra tamin’ny famonoana ny ben’ny Tanàna tao anatin’io distrika io.

Tsiferana R.

Partager sur: