Hampitomboina ny famokarana apemba sy voanjo ary bajiry eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny tetikasa “Apemba ». Hisy ny fikarohana manokana hijerena ny fanatanterahana izany sy ho an’ny fanodinam-bokatra ho tombontsoan’ny tantsaha.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny governementa amerikanina “Feed the future” ny tetikasa “Agricultural Project for enhancing Sorghum, Milet and Peanuts business Activity in Madagascar” (Apemba). “Tanjona ny hanenana ny tsy fanjarian-tsakafo sy hanatsarana ny resaka famokarana eo anivon’ny vehivavy sy ny ankizy”, hoy Anna Brenes, tomponandraikitra eo anivon’ny USAID, nandritra ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa “Apemba” tetsy Ambodivona, omaly. Hiompana amin’ny fikarohana momba ireo karazana apemba 15 sy voanjo 13 karazana ary bajiry azo hambolena sy mahazaka ny toe-tany ary ny fiovaovan’ny toetr’andro ny tetikasa. Izao no atao hanatsarana ny famokaran’ny tantsaha, ny seha-pihariany, ary ny masomboly ampiasainy. Tafiditra ao anatin’izay ny fanodinam-bokatra ho an’ny tombontsoan’ny tantsaha sy ny mpanjifa ary hamaly ny filàn’ny tsirairay.
Tanjona
Mpiara-miombon’antoka hanatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (MINAE) sy ny foibe fikarohana hampiharina amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra (Fofifa). “Hiasa amina faritra enina eto Madagasikara ny tetikasa, toy ny any Androy, Menabe, Ihorombe, Atsimo Andrefana, Boeny, ary Bongolava. Ezahina aparitaka manerana ny Nosy kosa izany aorian’izay”, hoy ny tale jeneralin’ny Fofifa, ny Pr Razafinjara Lala. Fantatra fa efa nahitam-bokatra sy nahafa-po tany amina firenena maro ireto karazana vokatra entina eto amintsika ireto. Andrasana ny hampiakarana ny famokarana hatramin’ny 3t isan-taona isaky ny vokatra. Haharitra roa taona ny tetikasa izay vatsian’ny USAID vola mitentina 2,5 tapitrisa dolara.
Henintsoa Hani.