Nahatratra 370 510 taonina ny vary nafarantsika tao anatin’ ny 10 volana voalohan’ny taona 2023. Nihena izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 599 603t ny taona 2022, nandritra io vanim-potoana io. Izany hoe, fihenana manodidina ny 229 093t, araka ny tatitra navoakan’ny mpanara-maso ny vary (ODR). Anisan’ny nampiakatra ny taham-pamokarana ny fiakaran’ny voka-bary nandritra ny taona 2022 sy 2023. Nihena ho 21 100t ny fanafaran’i Madagasikara vary ny volana oktobra 2023, raha toa mbola nananika ny 66 043t izany ny volana oktobra 2022. Mitotaly hatrany amin’ny 744 846t, araka izany, ny vary nafaran’ny firenena malagasy ny taona 2022. Antony nahatonga izany ny fihenana 3% teo amin’ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena tamin’ ny volana oktobra teo, noho ny fiakaran’ny vokatra avy any amin’ny kaontinanta Aziatika.
Hentitra
Tsikaritra tao anatin’ny fidinana nataon’ny talen’ny varotra, anatiny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ny fanararaotana nataona mpamongady iray teny amin’ny tsenan’Anosibe, ny talata teo. Nataon’ilay mpivarotra mitovy vidy amin’ny vary nafarana avy any ivelany ny vidin’ny vary avy amin’ny State Procurement of Madagascar (SPM), izay tokony ho 2 700Ar ny kilao. Nandraisana fepetra avy hatrany ilay mpamongady ka nasaina nanatona ny biraon’ny minisitera etsy Ambohidahy. Ankoatra izay, hitohy hatrany ny fitsirihana ataon’ny minisitera hanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena hisorohana ny fanararaotana atao amin’ny mpanjifa.
Henintsoa H.