VAOVAO TAMBATRA

Hitohy ny asa fanohanana ara-bola sy ara-teknika ny mpandraharaha eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Fihariana. Misy ny lamina apetraka entina hanatanterahina izany sy hijerena ireo asa mila fanarenana ao anatin’ireo efa vita sy mivaingana. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tontolon’ny fandraharahana.

Nanomboka omaly ny atrikasa ho fankatoavana ny valin’ny rijam-panontaniana ho tombana mahakasika ny fifanakalozana iraisam-pirenena ataon’ny foibe mpitantana ny hetra. Misy ny adihevitra hiresahana ny tontolon’ny hetra eto Madagasikara sy ny fifandraisan’ny firenena malagasy amin’ny any ivelany.

Nigadona ao Nosy Be, omaly, ny sambo lehibe iray mitondra mpizahatany manodidina ny 2 500. Hitsidika ny toerana manan-tantara sy hamantatra ny kolontsaina malagasy ireo mpandeha. Tombony ho an’ny fampandrosoana ny toekarena eto an-toerana ny firoboroboan’ny sehatry ny fizahantany.

Miala tsikelikely amin’ny fampiasana fiara mandeha amin’ny solika i Senegal. “Bus” elektrika avokoa ny ankamaroan’ny fitateram-bahaoaka miasa any an-toerana ary mahatratra hatrany amin’ny 300 000 isan’andro ireo mivezivezy amin’izany. Tanjon’ny firenena ny hirosoana amin’ny fampiasana ny angovo madio.

Partager sur: