Fianarantsoa : nahazo teoram-piasana ny Akademia Malagasy

Notanterahina afakomaly ny fivorian’ny Akademia Mala­gasy, sampana Fianarantsoa. Notokanana nandritra izany ny efitrano izay ho foibe fiasany. Ao amin’ny Trano famakiam-boky Tsianolondroa no misy ny birao. Fanomezana avy amin’ny kaominina Fianarantsoa Renivohitra ity efitrano ity. Antenaina hampivoatra sy hampiroborobo ny Akademia Malagasy ao Matsiatra Ambony, araka izany, ny fisian’ny birao vaovao.
Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny Akademia Mala­gasy, sampana Fianarantsoa, ny andron’ny talata 23 janoary 2024 lasa teo. Nisy ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Narahin’ny fivoriana nandinihina ny fanatanterahina ny vina ho fampandrosoana ny akademia izany. Nofaranana tamin’ny fandraisana ireo mpikambana vaovao ny fotoana.
Maro ny asa miandry ny mpikambana ao Fianarantsoa. Anisan’izany ny fanatanterahana velakevitra maro samihafa. Manginy fotsiny ny fikarohana maro isan-karazany hotanterahin’ny mpianatra sy mpikaroka maro.

Lin

Partager sur: