Tarika roa samy manana ny hanitra ho azy. Natambatry ny fivoizana sy ny fankafizana ny Rock kosa anefa, ka miara-dalana eny hatrany ny tarika Kiaka sy ny tarika Green. Hihamafy izany fifankatiavana izany amin’ity taona 2024 ity, satria fantatra fa hisy tetikasa maro ho an’ny mozika rock, ato ho ato. Hisantatra izany ny “Bonne année Rock 2024”, Fampisehoana iarahan’ny tarika roa tonta. Hotontosaina rahampitso zoma 26 janoary, eny amin’ny Madagascar Espace, By Pass, manomboka amin’ny 9 ora alina. Hifandimby an-tsehatra, samy hanao ny sanganasany ny tarika Kiaka sy ny tarika Green. Hisy ampaham-potoana kosa anefa iarahan’ireo mpikambana, satria mifankahay tsara ary efa samy zatra mpiaraka an-tsehatra izy ireo. Porofon’izany, efa nisy tamin’ny taon-dasa toa izao ny fiarahana, ka noho ny fangatahan’ireo mpankafy nanatrika izany no hamerenana azy indray.
Marihina fa nisy fiovana kely ny toerana noho ny fandaminana fa voatana hatrany kosa ny andro sy ny ora ary ny fandaharan-kira.
Zo ny Aina