TARATRY ny KANTO

Mitohy foana ny tolo-tanana ho an’i Mika. “Aza avela hatory”, hoy ny fanentanana. Efa natomboka ary misy isan’andro. Anjaran’i Jimi Harisson indray ny manafana ny anio, eny amin’ny Mlam Mana­kambahiny, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hitohy ny zoma, etsy amin’ny La City Ivandry izany, miaraka amin-dry ‘Zay, Samöela, Rah-Ckiki, Tovo J’Hay, Princio, sns.

“Revy Lôlô sy ny tariny”, any Toamasina. Araka ny vaovao farany, ho avy hanampy an-dry Benny, Bebey ary i Nini i Mahery ao amin’ny tarika Johary. Mandritra ilay fampisehoana hotontosaina ao amin’ny Brasserie de la Gare Toamasina, ny zoma 26 janoary izao, manomboka amin’ny 8 ora alina. Mijanona ho hiran’ny Lôlô sy ny tariny hatrany kosa no halahatra.

Partager sur: