« Telma coupe de Madagascar »: hiatrika ny famaranana ny Elgeco Plus sy ny CFFA

Adin’ny samy ekipan’ny ligin’Analamanga ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Telma coupe de Madagascar”. Hifanandrina amin’izany ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoharanofotsy.

Tontosa omaly alarobia, teny amin’ny kianja Elge­co Plus Stadium By-pass, ireo lalao manasa-dalana roa, hiadiana ny amboa­ran’i Mada­gasikara, “Telma coupe de Ma­dagascar”, taranja baolina kitra. Tafavoaka ary hiatrika ny fa­maranana amin’izany ny CFFA Andoharano­fotsy sy ny Elgeco Plus, izay samy avy amin’ny ligin’Anala­man­ga avokoa.
Teo amin’ny fihaonana voa­lohany, lavon’ny CFFA ta­min’ny isa tokana 1 no ho 0 ny AS Fanalamanga. Niady ny fihaonan’ny roa tonta saingy nahay nanararaotra ny fitavozavozan’ny vodilaharan’ny ekipan’Alaotra Mangoro ny CFFA, tamin’ny alalan’i Bertho, nampiditra ny baolina tokana teo amin’ny minitra faha-71 rehefa nahazo tolotra tsara avy amin’i Rasta. Tao­rian’io, totoafo ny fanafihana nataon’ny AS Fanalamanga notarihin’i Besna sy i Eleffoni niampy an’i Gildas sy i Avotra fa tsara ny fiarovantenan’i Dadafara sy i Rova. Tsy nisy intsony ny baolina maty hatramin’ny fotoana farany.
Teo amin’ny lalao faharoa, efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ny Elgeco Plus, rehefa nandavo ny Disciples FC Vakinan­karatra tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ihany koa. Baolina matin’i Zola, teo amin’ny minitra faha-111 taorian’ny daka nataon’i Jean-Yves ary niantefa teo amin’ny tongony izay nanilika fotsiny ny baolina tany anaty harato.
Niezaka namaly bontana avy eo ry Mandô sy ry Joma kely saingy tsara ny hiditranon’ny Elgeco Plus izay tsy nanao afa-tsy nanala ny baolina fotsiny sisa.
Hifandona eo amin’ny famaranana, ny alahady ho avy izao, eo amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny CFFA sy ny Elgeco Plus, tompon-jaridaina

Tompondaka

Partager sur: