Tafiditra ao anatin’ireo firenena 11 tsara tsidihina indrindra maneran-tany, mandritra ny taona 2024, i Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny gazety Vogue. Miavaka ny hakanton’i Madagasikara, noho izy manana karazan-javamananaina miavaka sy tsy fahita maneran-tany.
Tokantrano 4 tapitrisa no hisitraka ireo fitaovam-pahazavana mandeha amin’ny masoandro mandritra ity taona ity. Hapetraka ihany koa ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro (lampadaire) hanazavana ny tanàna eny amin’ny fidirana ny tanàn-dehibe manerana ny Nosy.
Hatao isaky ny telo volana ny fihaonan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny Vondron’ny tantsaha mpamokatra. Tanjona amin’izany ny handrefesana ny dingana vita amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Hodinihina haingana ihany koa ny sata mifehy ny vondrona ka hipaka mivantana amin’ny eny ifotony.
Ampy hiatrehina ny vanimpotoam-pahavaratra ny tahirim-bary ao amin’ny faritra Bongolava. Hita nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny fitantanam-paritra ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra fa latsaky ny 3 000Ar ny kilaom-bary any an-toerana. Eo anelanelan’ny 680Ar-750 Ar kosa ny kapoaka amin’ireo karazam-bary hita ao amin’ny faritra.