Roa andro vao hita: lehilahy iray maty navadiky ny lakana

Nokarohina roa andro vao hita ny iray tamin’ireo mpandeha lakana nivadika tao Antanisoa, fokontany Befeno, kaominina Fenoambany, distrikan’i Vangaindrano, ny alahady teo. Olona efatra izy ireo ny tao anaty lakana ka vehivavy ny iray. Nanonja mafy anefa ny rano ka nitsimbadika tampoka ity fitaovam-pitaterana ity. Rendrika tao anaty rano ireto telo mpandeha sy ny mpivoy ny lakana ity. Samy nanavotra ny tenany, araka izany, izy ireo. Nahita io, niezaka nanao izay ho afany koa ireo mponina teny amin’ny manodidina saingy, tsy hita popoka ny lehilahy iray. Ireo telo kosa avotra soa aman-tsara. Nanao ny fikarohana ny fokonolona niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna sy ny mpitandro filaminana. Ny alahady, izany hoe roa andro taorian’ny faharendrehan’ny lakana vao nipoitra ny vantana mangatsiakan’io lehilahy io. Natao ny fizahana ka natolotra ny fianakaviany izany.

Tsiferana R.

Partager sur: