Namorona ilay fandihy miavaka… : nankasitrahana, nomena trano i Bahoejy

“Bahoejy, adiresy tsy miova”, hoy ny tononkiran’i Tianjama izay. Tsy hadinon’ny rehetra ka nomena trano fonenana, ho fankasitrahana ny zava-bitany ho an’ny zavakanto i Bahoejy.

Eny, olombelona tokoa ilay hoe Bahoejy! Maro ireo tsy nahalala izany, kanefa mahafantatra tsara kosa ny dihy sy ny gadona bahoejy. I Bahoejy no namorona ilay fandihy izay lasa nitondra ny anarany , nampiavaka ny zavakanto avy any amin’ny faritra Sofia. Ho fankasitrahana azy, nampanantena ny hanome trano fonenana ho an’ity andrarezina ity ny Governoran’ny faritra Sofia, ny Jly Lylyson René de Rolland. Tontosa soamantsara izany, ka nomarihina tamin’ny lanonambe tao amin’ny fokontany Ambohimandriri­gny, kaominina ambanivohitra Ambodimandresy, distri­kan’Antsohihy misy ny tanàna niaviany sy ipetrahany, ny fanolorana ny trano ho an’i Bahoejy.
Dibo-kafaliana i Bahoejy, raha nandray ny lakilen’ny tranony avy tamin’ny Gover­noran’ny Faritra. Vola avy aminy madiodio no nananganana ny trano, raha ny fanazavana. Tsy nahatana ny hafaliany ka nirotsaka nitarika ireo mpandihy ny bahoejy i Ba­hoejy, nandritra ny lanonana.
Raha hiverenana ny tantara, nikaroka izay misy an’i Bahoejy ny fitaleavam-paritry ny kolontsaina sy ny serasera ao Sofia tamin’ny taona 2019 tany. Rehefa nahatsapa izy ireo fa tsy zarizary ny fonenan’ity andrarezina nametraka tantara ho an’ny zavakanto tsimihety ity, nisy ny “Ta­gnamaro” manokana nanarenana izany. Taorian’izay anefa, nisy disadisa teo amin’ny fianakavian’i Bahoejy, ka niala tamin’io trano io izy, ary vao mainka toerana tsy zarizary noho ilay teo no nonenany. Anisan’ireo mpanakanto avy ao amin’ny faritra Sofia notolorana mari-boninahitra, ka nahazo ny “Commandeur de l’Ordre des arts, des Lettres et de la Culture” i Bahoejy tamin’ny volana septambra lasa teo. Nandritra io fotoana io no nampanantenain’ny Gover­nora ijerena manokana ny trano fonenany, ka izao tontosa soa aman-tsara izao.

Tsy mpihira i Bahoejy
Tsara ihany no itondrana fanamarihana fa tsy mpamoron-kira ary tsy mpihira i Bahoejy. Izy kosa no namorona ilay fandihy tany amin’ny taona 1979 tany, ka zary lasa fotoana ifanomezan’ny tanora ny hoe hianatra ny “dihin’i Bahoejy”. Rehefa nalaza ilay dihy, lasa nahazo ny anarana koa ny gadon-kira. Mpana­kanto malaza maro avy any amin’ny faritra Sofia no mivohy ity gadona sy fandihy bahoejy ity hatramin’izay.

Zo ny Aina

Partager sur: