Raha hain’ny Malagasy ny milomano ao anatin’ny harena ny fahasamihafana, hisongadina tsy ho ela i Madagasikara. Sanatria hifamadika amin’izay ihany koa anefa raha mitavozavoza ny Malagasy. Saika tafiditra ao anatin’io avokoa ny lafim-piainana rehetra, toy ny toekarena, fiarahamonina, kolontsaina, politika, fanatanjahantena… I Madagasikara rahateo midadasika be ! Ho an’ny kolontsaina, anisan’ny manasongadina io harena ny fahasamihafana io ny fahitana ireo fomba amam-panao karazany maro. Ny fifanomezan-kasina samy manana ny azy, sns.
Na eo aza izay fahasamihafana mitondra harena izay, misy kosa ny fototra iraisana. Iray amin’ireny ny fifanajana, ny fitandroana ny fihavanana, ny hasina ifanolorana, ny tahotra sy fanajana ny Zanahary an-tampon’ny loha, sns. Tsy misy tokony hanimba ireny fototra ireny raha mitandrina tsara ny Malagasy. Fototra tsy voavidy vola na voasandan-karena satria ny maha izy azy ny Malagasy mihitsy .
Mila mitandrina anefa satria maro fahavalo io fototra io. Ao ny mamely sy mandrava azy mivantana. Mandady tahaka ny trambo ihany koa ilay mikapa sy mandrodana izany any ambadika. Tandremana fatratra, ohatra, ny asan’ny teknolojia isan-tsokajiny. Tafavoaka na mivoaka any amin’ireny avokoa izay tiana haparitaka haingana ao anatina habaka midadasika sy tsy voafetra. Malagasy mahay mandinika, tia mamakafaka, mahay mifanaja, toetra tokony hananana mba ahafahana miatrika tranga tahaka io.
Tsy tokony hisy ny tahotra raha mahatazona ny maha izy azy ny Malagasy tsirairay. Hoenti-manampy fa tsy hatao handrodana ny efa mitsangana, ny teknolojia sy ny haitao isan-karazany. Noho izany, mila hay ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Tsy mihinana amam-bolony. Tsy zava-baovao amin’ny Malagasy rahateo ireo !
HaRy Razafindrakoto