Mitohy hatrany ny fanandratana ny literatiora malagasy, Hanatanteraka hetsika «Pao-tsatroka» ny V.M.T Vondrona mpiangaly ny tantra, ny 09 desambra 2022 ho avy izao, manomboka amin’ny 02 ora ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hetsika natokana hanandratana ireo olobe mpilalao, na mpanoratra na mpanatontosa tantara izany. Amin’ity indray mitoraka ity dia Raminosoa Jacques Aimé (Rami), izay mpanoratra tantara fihaino sy Ravelonoro Lala Manitra (Noro) izay mpilalao tantara tao amin’ny Radio Madagasikara, ary tena nahafantarana azy ilay tantara mitondra ny lohateny hoe «Bako mpitsongo dia» tamin’izany. Ity fotoana ity izay hiresadresahana amin’izy ireo ,hisy ihany koa ny hirahira sy antsa tononkalo, indrindra ny filalaovana tantara fihaino imason’ny mpakafy. ”Hetsika izay tsy misy vidim-pidirana izy ity ary manantena ny fahatongavantsika maro hihanoka ny kanto sy hihaona amin’ireto oloben’ny soratra sy ny filalaovana tantara fihaino ireto”, hoy i Mbolaranto .
Narilala