Sady mianatra no miasa: hampiharina eto Madagasikara amin’ny sekoly teknika

Hanaovana andrana eto Madagasikara ny fampiarahana avy hatrany ny fianarana sy asa ho an’ny fampianarana teknika. Mametraka ny fototra ny mpiray ombon’antoka amin’ny fanatanterahana izany amin’izao fotoana izao.

Hanaovana andrana ham­piharina eto Ma­da­gasikara ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa avy hatrany ho an’ny fampianarana teknika. Tanjona ny hampahomby ny fiofanana arak’asa satria hiakatra ny isan’ny mpianatra miditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany rehefa vita ny fiofanana. Mahazo antoka koa ny mpampiasa sy ny tompon’ orinasa fa ampy fahalalana sy traikefa ilay mpianatra noho ny famolavolana miaraka ny fandaharam-pianarana nataon’ny ivon­toeram-pampiofanana sy ny sehatra tsy miankina. Tsy maintsy hisy fanavaozana izany ny fandaharam-pianarana fa mandeha miandalana. “Lalam-piofanana roa : taotrano sy asa vaventy (BTP) , ny fizahantany sy ny fandraisam-bahiny ary ny nahandro (HTR) no hampiharana ity paikady vaovao ity satria io no sehatrasa tohanan’ny Jeunesse Malagasy comptétente travail (JMCT) izay iarahana amin’ny oniversiten’i Trois Rivières any Kanada”, hoy ny mpampiofana sady tomponandraikitra ao amin’ny oniversite, Patrick Razakama­nanifidiny, omaly, teny Am­pefiloha. Tsy fianarana asa efa fanao mahazatra no hatao fa fampiarahana ny fianarana sy ny asa eny amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana. “Nisy ny fihaonana teo amin’ireo mpiray ombon’antoka hanatanteraka ny paikady : ny sekoly teknika sy ny sehatra tsy miankina ary ny fanjakana hametrahana vaomiera roa ho an’ny lalam-piofanana roa iompanan’ny tetikasa”, hoy ny tale jeneralin’ny Institut supérieur de technologie (IST) eto Antana­narivo, Luc Rakotondrajaona. Nitondra fanazavana momba ny tetikasa ny manam-pahaizana roa avy any Kanada. 50 taona no nampiharana ity paikady ity tany Kanada ary tsapa fa mahomby. Hisy fampivondronana ny sekoly teknika rehetra misehatra amin’ireo lalam-piofanana roa ireo hizarana ity fanavaozana lehibe ity. Hifanohana amin’izy ireo koa ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny minisiteran’ny Fizahantany.

Vonjy A.

Partager sur: