« Opération Smile » : nankasitrahana ny mpiray ombo’antoka

Vita ny fitetezana ireo distrika , amin’ny lalam-pirenena fahafito, nitondrana tolotra ara-pahasalamana (ivelan’ny fandidiana) ho an’ireo olona sima molotra na vaky lanilany notontosaina nandritra ny 10 andro miaraka amin’ny «Opé­ration Smile» sy ny mpiray ombon’antoka tao anatin’ny « Opération Smile tour ». 160 ny olona nisitraka ny tolotra nentin’ny mpiasan’ny fahasalamana tamin’ny tanàna rehetra nandalovana. Tsy nijanona teo amin’ny fandidiana ny lanilany vaky fotsiny ho an’ny zanaky ny vehivavy iray tany Toliara ny tohana nentin’ny « Opération Smile » fa mbola nahazo fanampin-tsakafo koa ilay zanany.
15 taona nandidiana ny sima molotra na ny vaky lanilany ny “Opération Smile” teto amintsika raha 40 taona ny hetsika maneran-tany.
Ho famaranana ny fanamarihana ny 40 taona nikarakaran’ny vondrona ireo olona manana fahasembanana , nisy fizarana fankasitrahana ho an’ireo mpiray ombon’antoka sy mpiasa rehetra nifandrimbona tao anatin’ny asa. Teto amintsika, 4 000 ny olona nisitraka fandidiana tao anatin’ny 15 taona ary mbola hitohy, hoy ny tomponandraikitry ny OS, Rakotomalala Mirana.

Vonjy

Partager sur: