Mpilatsaka an-tsitrapo: nanaovana asa tanamaro ny fankalazana

Nomarihina, omaly maraina, ny ivon’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo. Ankalazaina isaky ny faha-5 desambra ka nanaovan’izy ireo asa tanamaro, tafiditra anatin’ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina. Nana­diovana ny faritra manoloana ny ORTM (Ofisin’ny Radio Televiziona Malagasy) Anosy. Hajarian’ny minisitera ho zaridaina ny toerana aorian’izao hetsika izao. Ankoatra izany, nisy ny “carnaval” niainga teny amin’ny Gar Soarano hatrany amin’ny Tranombokim-pirenena. Nisy ihany koa ny tranoheva nampisehoana ny asa ataon’ireo mpilatsaka an-tsitrapo teny an-toerana.
“Firaisankina amin’ny asa an-tsitrapo” ny lohahevitra tamin’ity. Notronin-dRamatoa Rako­tondrazafy Lalatiana Andriantongarivo, minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady Reny mpiahy ny mpilatsaka an-tsitrapo eto Mada­gasikara ny hetsika. Na­nen­tana ny olom-pirenena rehetra mba handray andraikitra sy hitondra anjara biriky amin’ny fanasoavana ny asa iombonana izy. Toy ny fanadiovana lalana, fanavaozana ny trano iombonana…. Voafe­hin’ny lalàna ny filatsahana an-tsitrapo eto Mada­gasikara nanomboka ny taona 2015. Nivoaka ny didy fampiharana izany ny 23 marsa 2022 teo, hoy hatrany ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. “Ho fampahatsiahiavana io lalàna io ny anton’ny hetsika asa tanamaro toy izao”, hoy i Hanitriniala Mara Elianne, talen’ny fampiroboroana ny filatsahana an-tsitrapo. Ma­ne­rana an’i Madagasikara ny hetsika ary samy manana ny fankalazany ny faritra tsirairay avy. Marihina fa nanomboka ny 25 oktobra teo ny fankalazana ary nifarana, omaly 5 desambra. Mbola mitohy isaky ny asabotsy fahatelon’ny volana ny asa tanamaro.

Mino (Mpianatra Asa)

Partager sur: