Raha nampikaikaika ny maro ny fitarazohan’ny volana janoary, poa toy izay dia hanjavona ity volana itsahantsika ity. Tsy hita izay zava-bita! Vao mihodina kely, efa herinandro vaovao. Volana anisan’ny fohy indrindra rahateo anatin’ny taona, na taona “bissextile” aza izany amin’ilay 29 andro.
Mirimorimo ny fotoana, tsy azo tanana. Izy indray no mibaiko ny fomba fiainan-dRaolombelona. Mampitondra faisana izay mitaredretra sy tsy manaja azy. Tsy adalan’ny vazaha rahateo ny milaza fa ny fotoana dia vola. Marina ara-bakiteny sy ara-keviny izany. Porofon’izay ny fahatrantsika, vokatry ny fotoana verivery fahatany, eny na tsy fanahy iniana aza. Inona no seha-pihariana ihodina anaty fitohanana sy fifamoivoizana mihitsoka?
Firifiry ny fotoana very amin’ny fahatapahan-jiro, etsy sy eroa. Tsy hisy fandrosoana anatin’ny fifampiandrasana velively akory.
Manginy fotsiny ny fahitana izao Ramalagasy “mafimafy ady”, lany andro amin’ny filokana isaky ny elakela-trano. Maniry toy ny ahitra ny filokana, “ baby foot” sy ny karatra. Tena hoe misy ny midonanapoana. Ny mahavariana, ireo tsy an’asa sy tsy misy anto-pivelomana mazava no voasarika amin-draha tsy manjary.
Inona no itanterana izany etoana ? Maro no tsy tonga saina, andaniny. Mila fandraisana andraikitra avy amin’ny manampahefana, ankilany. Mila fifanabeazana ny mponin’ilay Madagasikara malalantsika amin’ny fifehezana ny fotoana. Iaraha-mahita io ny fiovan’ny taham-pahaveloman’ny zanak’olombelona. 80 taona eo ho eo! Hoy ilay mpihira malaza. Ny zava-misy ankehitriny anefa dia efa manoritra ny antsasa-manilan’izany. Zary mihamaro ny maty tanora, folaka andantony. Firifiry aza ny zaza tsy mahatratra ny adolantseto !
Tsy fampitahorana sanatria fa fanairana ny rehetra samy ahatsapa tena sy samy hitandrina izany.
r.r