Anisan’ny fahombiazana sahady ho an’ny ity tanora malagasy mpanatontosa sarimihetsika ity ny nahavoafantina azy ho mpandray anjara amin’ny « Nikon Festival ». Mba hahafahany mandrombaka ny amboara, mila tosika sy tohana lehibe izy.
Mitombo hatrany ny Malagasy mpanatontosa sarimihetsika, miakatra amin’sehatra iraisam-pirenena. Ranarison Andry indray no mandray anjara amin’ny fifaninanana « Nikon Festival », atao ao Paris. Fifaninanana natokana ho an’ny sarimihetsika fohy izy ity, ary tsy mifidy sy tsy manavaka izay rehetra handray anjara rehefa mahafeno ny fepetra sy manaraka ny lohahevitra apetraky ny mpikarakara. Amin’ity andiany faha-14 ity, mahatratra 2772 ny sarimihetsika nofantenina. Araka ny dingan’ny fifaninanana, 50 isa amin’ireo no alaina hiatrika ny famarana, izay tanterahina ny 20 marsa 2024.
Misolo tena ny Malagasy, araka izany, ao anatin’ny “Nikon Festival”, ny sarimihetsika notontosain-dRanarison Andry, nampitondrainy ny lohateny hoe “Elise”. Tantarana renim-pianakaviana iray, izay misaona ny zanany sy tsy maintsy mianatra manaiky ny fahafatesan’ny zanany izy ity. Io zanany io izay maty noho ny haintrano. Sarimihetsika tena fohy nefa feno fihetseham-po. Azon’ny rehetra atao ny manohana ny sanganasan’ny mpandray anjara rehetra, indrindra ny an’ity Malagasy mpanatontosa ity, an-jotra, eny anivon’ny tranonkalam-pifandraisan’ny “Nikon Festival”.
Fanararaotra
Hetsika mandrisika ny famoronana sarimihetsika ary mampiroborobo ny fisondrotry ny talenta vaovao amin’ny alalan’ny foto-kevitra tokana: ahafahan’ny tsirairay mamorona sy mizara horonantsary fohy ary maimaimpoana ny “Nikon Festival”.
Fanamby atolotry ny mpikarakara ny fanaovana sarimihetsika fohy, maharitra 2 minitra sy 20 segondra, mifanaraka amin’ny lohahevitra apetraka isan-taona. Hatramin’ny nisian’ny hetsika ny taona 2009, tanjona niraisan’ny mpikarakara sy ny mpandray anjara ny hoe “Mamorona”. Tanora maro no nasondrotry ny hetsika ary talenta maro no nisandratra.
Lin