Nifarana tamin’ity volana febroary ity ny fe-potoana niasan’ny birao nasionaly ho an’ny fikambanana Malagasy Manoratra, notarihin-dRakotoarimanana Sandanomena, filoha teo aloha. Niroso tamin’ny fanavaozana ny birao izy ireo. Voafidy ho eo amin’ny toeran’ny filoha nasionaly, ny alahady 4 febroary teo, i Njarasoa RA. Voatazona ho sekretera jeneraly i Nah Haja raha toa efa nitazona izany toerana izany vonjimaika teo aloha. I Ariela Fanoitra no mpitam-bola ary i Hanitra Randria no mpitantsoratry ny fitantanam-bola. Mpanolotsaina i Fandrotrarana sy Fabrizzio Rason. Mijanona ho ray mpiahy ny fikambanana i Rabe Jiber ary i Fidy Art Niaina no filoha mpanorina. Mandritra ny telo taona ny fe-potoana hiasan’ireto birao vaovao ireto.
Maherin’ny 50 ny isan’ireo mpikambana manerana ny Nosy. Ahitana sampana 3 ny Malagasy Manoratra izay samy ara-dalàna : Itasy sy Toamasina ary ny sampana Vakinankaratra. Maro ireo hetsika nahitana ity fikambanana ity. Nisy ireo nokarakarainy (Zara Talenta, Fo toa teny, Teny miaina, Hikalo fitia… ). Teo ireo notanterahiny niaraka tamina fikambanana hafa, toy ny : « Irie Festival », « Adilahy Poetika », « Fête de la Mozika »… Teo ihany koa ireo hetsika sosialy, tontolo iainana. Tsangam-bato voalohany vitan’ny fikambanana ny boky « Fo toa teny », mirakitra sanganasana mpanoratra 20 mianadahy.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto