Mitohy ny hetsika fanaon’ny Jazz Club CGM/GZ isaky ny alahady fahatelo. Fihaonan’ireo mpitia jazz, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Goethe-Zentrum) Analakely, ny alahady 18 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hanana endrika fifanakalozana eo amin’ny zoky sy zandry, fitsirihana ireo talenta vaovao ary fihaonana mivantana eo amin’ny samy mpitia jazz, ity hetsika ity. Ankoatra ireo, hanatanteraka seho ry zareo avy ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ.
Marihina fa anisan’ny sehatra sy fihaonana lehibe ho an’ny mpitia (mpitendry, mpihira…) jazz ny Cercle Germano-Malagasy/GZ tao anatin’ny 15 taona nisian’ny Jazz Club tao aminy. Mpilalao jazz maro no voavolavola sy nandranto fahaizana sy fahalalana teo anivony. Niroborobo fatratra ny jazz, satria, tsy nitsahatra nanatanteraka hetsika hatrany ny CGM/GZ sy ny Jazz Club ao aminy. Iray amin’ireny ny «Jazz@tohatohabato», izay efa zary hetsika iraisam-pirenena eo amin’ny tontolon’ny jazz.
Raha tsiahivina, iray amin’ireo firenena manana mpilalao jazz havanana tokoa i Madagasikara. Sokajin-taona rehetra (ankizy ka hatramin’ny lehibe), samy ahitana izany avokoa.
HaRy Razafindrakoto