Mila fiaraha-mientana !

Resabe tato anatin’ny andro vitsy ny fiparitahan’ny sary eny amin’ny tambajotran-tserasera, mahakasika ny mpanakanto mampirantiranty fitombenana sy manao fihetsika « mamoafady ». Maro ny tafintohina, saingy betsaka ihany koa ny niaro ireny mpanakanto ireny. Andaniny, misy ny milaza fa mandala ny soatoavina sy ny hasina maha Malagasy ka manankiana tsotra izao ireo mpihira sy mpandihy. Ankilany, manindrahindra fa kolontsaina avy any amin’izy ireo izany, ary tsy misy olana amin’ny mpankafy azy ireo. Eo dia mifanenjikenjika eo e!
Manoloana izay, nisy ny fampahatsiahivana nataon’ny minisitera fa mahavoasazy ny fihetsika mamoafady imasom-bahoaka. Sady mampandoa lamandy no mampigadra mihitsy. Fanambarana niteraka resabe, satria mijanona ho fampahatsiahivana lavareny, tsy misy fandraisana andraikitra. Tsy vao sambany ny minisitera mpiahy no nanao fanambarana. Vokany, tsy mahagaga raha hita eny amin’ny tambajotran-tserasera ny valy boraingina ataon’ny mpanakanto sasany izay voakasiky ny fampahatsiahivana na fampitandremana. Misy aza manao fanambarana misary fihantsiana, miandry izay ho fampiharana ny lalàna aminy.
Mety ho tranga maningana ity resaka mpanakanto sy kolontsaina, ary kolom-pitombenana ity fa ahitana taratra ny faharavan’ny fiarahamonina misy antsika, ankehitriny. Saika goragora ny fampiharana ny lalana amin’ny lafin-javatra tena ilana azy. Mihenjana kosa rehefa misy ny sokajin’olona na vondrona lasibatra manokana. Ny mpanolana sy ny mpamono olona, ary ny mpanodinkodim-bolam-panjakana matetika no manao tsidi-pahitra ny fonja. Fa ny olona miaro ny fananany amin’ny mpibodo tany, ohatra, no mandany ny fahatanorany na ny androm-piainany any am-ponja. Toy izany hatrany, boribory vetaveta tsy manam-piafarany.
Santionany kely anatin’ny marobe tsy tambo isaina amin’ny fahasimban’ny fiarahamonina malagasy ireo. Natao hisintonana kely ny sain’ny tsirairay mba handin-tena, na fotoana fohy aza amin’ny toe-javamisy lalovan’ny fiarahamonina misy antsika. Miha-lo ny fomba fiainana eto Madagasikara. Tsy misy afaka ny hilaza fa tsy tandindomin-doza ny zanany, na ny tokantranony. Tsy ampy hiaro na iza na iza ny volany, ny fahefany, ny tanjany. Manontolo iray lehibe ity firenentsika ity. Raha vao misy ny singa mamono ny besinimaro, miara-mizaka ny vokany isika ka tsy tokony hisy mialangalana. Taotrano tsy efan’ny irery rahateo ny fifanabeazana, mila fiaraha-mientana sy firaisan-tsain’ny Malagasy tsivakivolo.

r.r

Partager sur: