Miandry vokatra

 

Amperinasa tanteraka ny fitondrana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nanao ranolava ny fitokanana zava-bita, tany an-dRenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro, Moramanga. Nahoraka ny fety aman-danonana. Tsy nisy diso anjara fa saika ireo sampandraharaham-panjakana rehetra no nahazo ny anjarany. Ilay governora sy ny fametrahana ny faritra iray, Mangoro, sisa andrasan’ny mponina.
Etsy ankilan’izay, efa mamaky lay ny fandehanana any ampitan-dranomasina ny delegasiona tarihin’ny filoha mivady. Midika izany fa tsy misy andrasoandraso intsony ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fampanantenana isan-tsokajiny na ato anatiny, na ny any ivelany. Mila misokatra misimisy kokoa amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena rahateo i Madagasikara amin’ny maha Nosy azy.
Miandrandra vokatra azo tsapain-tanana avy hatrany anefa ny vahoaka. Anisan’ny mbola hiandrandrana fatratra izany ny famahana ny olana andavanandro. Tena mampiaiky volana ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Manao izay danin’ny kibony amin’ny vidin’entana ny mpivarotra. Manararaotra toa banga mihomehy alina ny jiolahy. Tsy ny olon-dratsy any anaty akata samy irery akory fa ny jiolahy ambony latabatra. Mbola lavitra ny ezaka amin’ny fanadiovana!
Maro sy tsy mampitsanga-menatra ny fotodrafitrasa vita. Andrasana ny fanatsarana ny fiainana maha olona ilay olombelona hisitraka sy hampiasa azy ireny. Mbola ady goavana sedrain’ny isan-tokantrano rahateo ny fikarohana izay hatokona isan’andro. Maro rahateo ny Malagasy zary mandry fotsy.
Mbola misimisy ny ezaka ho amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Soa fa efa nilokaloka ny Filoha fa hiompana amin’ny sosialim-bahoaka ny fotoam-pitondrana manaraka. Andrasana, araka izany, ny famitana izay nampanantenaina.

r.r

Partager sur: