Santatra am-bavarano…: haneho voalohany ny endriky ny tariny i Mbola Talenta

Talenta, Zandry Gasy, Vetsonkira, Anoka Bà Gasy, Tamboho, sns. Santionany tamin’ireo tarika natsangany na nisy an’i Mbola Talenta ireo. Tsy nialany akory, fa sady hifototra bebe kokoa amin’ny tarika Mbola Talenta ihany koa izy.

Anarana heno matetika etsy sy eroa… Tarika maro no efa natsangany sy misy azy, saingy izao vao hisy hitondra ny anarany sy hamelona ireo sanganasan’ i Mbola Talenta. Hisy ny seho ho santatra am-bavarano, izay hotontosain’izy ireo ny asabotsy 10 desambra izao, ma­nomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Le 26, Karibotel Analakely.

8 lahy ireo namany nosafidian’i Mbola Talenta handrafitra ny tarika. Samy efa ela niarahana taminy avokoa ireo, notsongaina tao anatin’ ny maro noho ny talentan’ny tsirairay, mandrafitra ny fa­na­hin’ireo hira. I Antsaly (feo), Falikely (gitara sy feo) , Lik Jos (Kabosy sy feo) , Fanilo Poppin’s (gitara , feo , amponga maroanaka) , Fa­meno Poppin’s (gitara beso) , Litsa Kely (percussion) , Rapà (so­dina, valiha) , ary Benja (an­gorodao, lokanga, trompetra).
“Hira noforoniko avokoa no holalaovina sy hampahafantarina amin’io fotoana io. Misy ireo efa fantatry ny maro, misy kosa ireo mbola hanavao ny sofina. Tsy miala amin’ny nahafantarana anay hatramin’izay, dia ny mozika mifototra amin’ny tendry gitara kanefa mivelatra amin’ny gadona maro toy ny bagasy, folk, vakodrazana, sns, izany. Manome vahana ny tononkira sy ny rindra ihany koa aho anatin’ny tarika”, hoy ny nambaran’i Mbola Talenta. Anisan’ireo efa malaza sy nataona mpanakanto maro, ohatra, ny “Mangorango­rana”, “Avia izany zanako”, “Hanina ny taniko”, “Ho an’i Dada sy i Neny”, sns.

Fanombohana ihany ny amin’ity, fa manam-pikasana hanao dingan-dava ny tarika Mbola Talenta amin’io taona ho avy io. “Efa fotoana izao hamoahana ireo sanganasa nipirimpirina tany, hozaraina amin’ny tena mpankafy mo­zika. Hisy ny rakikira homa­ninay ho tohin’ny seho”, hoy hatrany ny fanazavan’ity mpanakanto mpamorona, mpihira ary mpitendry gitara ikoizana ity.

Zo ny Aina

Partager sur: