Nivoaka ny zoma 2 desambra 2022 ny lisitry ny mpandray anjara hiatrika ny “Prix RFI Talents de rire 2022” andiany faha-8. Voafidy ho isan’ny mpifaninana 10, hiatrika izany i Sombiniaina na Ranarivelo Sombiniaina, mpanao hatsikana malagasy. Fifaninanana ho an’ny mpanao hatsikana monina aty amin’ny faritra Afrika, miteny frantsay sy ny ranomasimbe indianina ary faritra karaiba izy ity. Any Abidjan, Cote d’Ivoire, ny 10 hatramin’ny 12 febroary 2023 ny hanatanterahana izany.
“Hametraka an’i Madagasikara amin’ny toerany ao anatin’izao fifaninanana izao no tanjona”, hoy i Sombiniaina. Fandraisana anjara voalohany ho an’i Madagasikara ity ka tanjona ny hampiseho ny lentan’ny hatsikana malagasy, ankoatra ny fakàna ny amboara. Vola mitentina 4000 euros no ho azon’ny mpandresy amin’ity fifaninanana ity. Sombiniaina, izay sokajina ho Printsin’ny “Stand-up” eto Madagasikara. Tsy hitsanga-menatra, araka izany, isika manana ity solontenantsika ity ao anatin’izao fifaninanana goavana eto Afrika izao.
“Mila mivonona amin’ny lafiny rehetra satria mbola tsy nampahafantarina anay ny fizotran’ny fifaninanana”, hoy i Sombiniaina. Mpanao hatsikana manana ny maha izy azy no voafidy hiatrika ny fifaninanana. Isan’izany i Bregeand, tanora mpanao hatsikana gabonea, izay efa nandromboka ny “Prix jeunes talents de rire”, ary manomboka mametraka ny maha izy azy eto Afrika.
Tanjona amin’izao fifaninanana izao ny hamoaka talenta vaovao avy aty amin’ ny faritra mandray anjara amin’ny fifaninanana. Ny fifaninanana izay efa tamin’ ny taona 2015 no nisian’ny andiany voalohany.
Lin (Mpianatra asa)