Nitokona ny mpianatry ny ENS: raikitra ny doro kodiarana tetsy Ampefiloha

Mitaky ny handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana ny mpianatra “normaliens” vita fiofanana. Nanapa-dalana tetsy Ampefiloha izy ireo, omaly.

Nanomboka omaly ary tsy hijanona intsony ny hetsika fitokonana raha tsy tafavoaka ilay décret vitan’ny tomponandraikitra re­hetra sonia manambara fa hatao laharam-pahamehana ny fandraisana ny mpianatra nivoaka tao amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) sy ny avy amin’ny Ecole normale supérieure pour l’enseignement technique any Antsi­ra­na­na ho mpiasam-panjakana anatin’ny poste budgétaire mivoaka isan-taona. “Ho an’ ny taona 2022, olona nahavita fiofanana manana ny mari-pahaizana Lapen sy Capen 1500 no nandefa antontan-taratasy fangatahana horaisina mpiasam-panjakana fa 900 teo ho eo no voaray”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpi­anatra nivoaka tao amin’ ny ENS-ENS Mada, Randria­nan­tenaina Eric, omaly teny Ampefiloha. Hatreto, mbola ny minisiteran’ny Fampiana­ra­na ambony sy ny fikarohana siantifika ihany no nanao sonia ilay didim-panjakana. Miantoka ny filaminana sosialy sy ho amin’ny tontolon’ny fampianarana ny fahavitan’ny didim-panjakana, izay notakiana ny taona 2021 ary nampanantenaina fa havoaka afaka 45 andro. “Efa niandry ela izahay ka tsy hitsahatra intsony ny fitakiana”, hoy ireo mpianatra. Nivoaka ny faritry ny ivontoeram-pampianatra izy ireo ary nandoro kodiarana. Voahelingelina noho izany ny fifamoivoizana ka niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nandamina.

Voasambotra ny mpianatra roa…
“Voasambotra ny mpianatra roa fa afaka ihany ora maromaro taty aoriana. Ni­ve­rina tao anaty fefy ny mpitokona taorian’izay. Nanao tampody fohy nidina teny an-dalambe indray ny tapakandro hariva hanehoana ny tsy fahafaliana”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny mpianatra . Sahiran-tsaina izy ireo satria maro ireo efa miandry asa taorian’ny fahazoana diplaoma. Lasa miditra ho mpampianatra Fram ny sasany ahafahana mivelona mandra-piandry ny asam-panjakana. Vonona hi­tondra fampandrosoana ho an’ny fampianarana (eny amin’ ny lycée sy ny kolejy) ireo mpianatra “normaliens” ireo satria ampy traikefa sy fiofanana, indrindra ho an’ny tontolo ambanivohitra. Tonga eto Antananarivo manohana ny hetsika fitakiana ny avy any Antsiranana sy Fianarantsoa ary Toliara.

Vonjy A.

Partager sur: