Tsy aretin’ny zokiolona na ireo efa mahazo taona intsony ny diabeta fa efa mahazo ny ankizy sy ny tanora ihany koa io toe-tena io ankehitriny, hoy ny ao amin’ny Amadia. Hisy, araka izany, ny hetsika karakaran’ity ivontoerana mandray an-tanana ny olona diabetika ity ny asabotsy 10 desambra izao ho an’ireo ankizy sy tanora diabetika latsaky ny 26 taona.
Lohahevitra voizina amin’ izany ny fandanjalanjana ny sakafo ara-pahasalamana ho an’ny ankizy sy ny tanora diabetika. Tanjona ny hahafahana mifehy ny tahan’ny siramamy anaty ra amin’ny alalan’ireo karazan-tsakafo hanina.
Matetika ny Amadia no manao hetsika manokana hanomezana toromarika ny tanora sy ny ankizy toy izao. Miovaova kosa anefa ny lohahevitra entina amin’izany.
Ankoatra ny toromarika momba ny sakafo, ifampizarana koa ny fampiasam-batana tokony hatao mifanaraka amin’ny toe-tena, ny karazam-panafody, ny fandaminan-tsaina manoloana ny fitsaboan-tena, ny fandrefesana matetika ny tahan’ny siramamy…
Raha ny salanisa farany dia 25 tapitrisa ny olona manana toe-tena diabetika aty Afrika. Ny 4% n’ny mponina eto Madagasikara kosa no fantatra fa manana izany toe-tena izany.
Anisan’ny mitarika fahafatesana betsaka indrindra ny diabeta tsy voalamina nohon’ ny voka-dratsy entiny eo amin’ ny fahasimban’ireo taova maro isan-karazany ao anatin’ny vatan’olombelona.
Tokony ho vaindohan-draharaha, araka izany, ny fisorohana sy fifehezana izany. Ilaina koa ny mandray an-tanana sy manara-maso ary manohana ny olona manana toe-tena diabetika satria mila izany izy ireo.
Tatiana A