“TARATRA ny anarany. Hitaratra ny zava-misy rehetra, na eo amin’ny tontolon’ny fihariana sy ny toekarena na koa ny tontolo politika. Hizara aminao ny ezaka sy ny olana mbola
sedrain’ny fiarahamonina. Hitatitra ny vaovao ara-panatanjahantena sy ny alavoly. Hanolotra ny mahaliana avy any am-pita, izay tsara arahina noho ny fitsokan’ny rivotry ny fanatontoloana. Ary farany, nefa tsy ny kely indrindra, hanondrotra ny kolontsaina malagasy…”. 20 taona katroka anio, ny nivoahan’ity ampahan-dahatsoratra ity, teto amin’ny gazety Taratra, laharana voalohany, ny 19 febroary 2004.
Nalaina tamin’ny “Indraimbava”, matoan-dahatsoratra voalohan’ny gazetintsika, izay nosoratan’ny tonian-dahatsoratra voalohany, Hanitra Andriamanantena Rabetokotany, io. 20 taona aty aoriana, mbola ity am-pelatananao ity ny gazety Taratra. Ny gazetintsika. Ireo voalazany eo ambony ireo ny fototra. Nisy ny fanavaozana manaraka ny fivoaran’ny tontolon’ny haino vaky jery, satria manohy hatrany ny andraikiny ny gazety.
Tsy mora ny sedra nolalovana tao anatin’izay 20 taona izay. Maneran-tany mihitsy ny olana sedrain’ny gazety an-taratasy, noho ny fivoaran’ny teknolojian’ny serasera sy ny fifandraisana, indrindra ny tambajotran-tserasera. Isan’andro, isan’ ora, isa-minitra ary isan-tsegondra anefa ny fampitam-baovao. Ka ho faty ve izany ny gazety an-taratasy, toy ny any amin’ireo firenen-dehibe, ohatran’i Sina?
Eny! Mbola vonona hiatrika ny 20 taona ho avy, sy izay manaraka eo ny gazety Taratra. An-tsoratra ny niantombohana. Ny vaovao amin’ny teny malagasy no ifaharana. Hitohy hanaraka ny vanim-potoana ny fivoahan’ny gazety an-taratasy. Ny an-tambajotra koa efa nirosoana. Izay mahavantana antsika, anareo, no imasoanay. Ny ampanantenainay, mbola ho eo hatrany ny gazety Taratra.
Mbola eo ianareo? Hanohy ny lalana isika…
Zo ny Aina Randriatsiresy