Lisi-pifidianana : manana 20 andro hanamarinana ny mpifidy

Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fampiakarana eny amin’ny foiben’ny informatikan’ny distrika (CID) ny karne momba ny mpifidy nisoratra anarana eny amin’ny fokontany, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) izao. Avy eo, mankany amin’ny Ceni foibe hampidirana azy amin’ny fikirakirana ara-kajy mirindra. Hatramin’ny 28 febroary ho avy izao no hanaovana izany fampiakarana karne izany. Ny eny amin’ny fokontany sy ny kaominina mankeny amin’ ny distrika io. Amin’io andron’ny 28 febroary io kosa no hamaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy.
Aorian’izay, manana 20 andro ny mpifidy hanaovana fanamarinana sy fanitsiana ary fitarainana ny mombamomba azy avy. Amin’izany koa no hanamarinana ny lisitry ny mpifidy, sao misy mpifidy nodimandry, ohatra, na nifindra fonenana, na very zo, nefa mbola tafiditra ao anaty lisitra ihany. Haverina eny amin’ny fokontany ny lisitry ny mpifidy hahazoan’ny olom-pirenena manao izay famarinana farany izay. Manana adidy amin’izany ny olom-pirenena mba tsy hisian’ny fifanomezan-tsiny, rehefa mivoaka ny lisi-pifidianana hampiasaina amin’ny fifidianana ho avy eo. Izay tsy tafiditra amin’izany, mbola azo raisina sy ampidirina amin’ny lisitra izay ha­naovana ny famaranana tanteraka amin’ny 15 mey, araka ny fanazavana azo.

R. Nd.

Partager sur: