Andriamarotafika Soava: “Fifidianana izay lany fe-potoam-piasana no irosoanay”

Naneho ny heviny ny mpampakatenin’ny Ceni mahakasika ny fangatahan’ny firaisamonina sivily sasany momba ny tetiandrom-pifidianana. ”Fifidianana izay lany fe-potoam-piasana no irosoana”, hoy izy.

“Hatramin’izao aloha, izay fifidianana amin’ireo olom-boafidy lany fe-potoam-piasana nofaritan’ny Ceni amin’ny maha mpanomana sy mpikarakara ary mpanatanteraka fifidianana azy no irosoanay.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamaro­tafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fangatahan’ny firaisamonina sivily sasany hoe tokony havoaka ny tetiandrom-pifidianana izay hitantana ny faritra sy ny fifidianana lehiben’ny faritany. Eo amin’ny fifidianana solombavambahoaka ary ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina aloha no voafaritry ny tetibolam-panjakana. Ny ankoatra an’izay, ho hita miandalana… Rehefa vita izay fifidianana roa izay, ho hita eo hoe: inona indray no tokony hatao? Misy lojika tokony harahina. Amin’izao, ireo olom-boafdy eny anivon’ny rafitra izay efa nisy an’izay ka tapitra ny fe-potoam-piasany no atrehina.
“Tsy maintsy misy fandaminana manokana sy fandalinana ary fifanakalozan-kevitra: ahoana ny hanatanterahana an’izay fifidianam-paritra izay raha hatao tokoa, rehefa vita, ohatra, ny fifidianana kaominaly sa teren-ko masaka fotsiny?”, hoy izy. Tsy maintsy misy lamina ny amin’izany, araka ny heviny manokana. Mpanatanteraka ny didy aman-dalàna mivoaka eto amin’ny tany sy fanjakana amin’izay tandrify azy ny Ceni, fa tsy mpanatanteraka fanapahan-kevitra politika.

R. Nd.

Partager sur: