Depiote Raholdina Naivo : “Olona manana ny maha izy azy ny ho depiote”

“Mba olona tokony ho efa manana ny maha izy azy ny hoe solombavambahoaka”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Antananarivo, ny depiote Raholdina Naivo, voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, ma­noloana ny resaka ny amin’ny anto-bola 20 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina ho depiote. Misy fandaniana amin’ny fanatanterahana fifidianana. Tsy olona hangalatra akory ny olona hoe hofidina solombavambahoaka na hanangon-karena rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Atao ahoana, ohatra, no hampandroso firenena, nefa ny tokantranon’ny tena aza tsy mandroso? Raha ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina aza tsy voaloa, inona izany no hataon’ny tena? Aminy, kely izay anto-bola takina amin’izay firotsahan-kofidina izay, raha ny adidy aman’andraikitra miandry ny depiote. To­kony ho olona manana ny maha izy azy eo amin’ny fiarahamonina izany: manana fahaizana tsotsotra, manana ny enti-manampy vahoaka, ary olona maodely eny anivon’ny fiarahamonina indrindra koa.
Raha tsy izany, lasa politika politisianina no atao: ataon’ ny olona famenoana ny mombamomba azy fotsiny ny firotsahan-kofidina ho depiote. Misy na hirotsaka ho filoham-pokontany aza tsy ho voafidy fa manabe taratasy fotsiny. Olom-pirenena toy ny olom-pirenena rehetra izay mirotsa-kofidina amin’izany, fa tsy hoe kandidàm-panjakana na kandidàn’olon-tsotra… Mahazo mi­rotsa-kofidina avokoa ny rehetra, izay mahafeno fepetra: harotsaka rehefa mahafeno ny fepetran’ny antoko, fa tsy hoe fanilihana an’itsy na iroa.

R. Nd.

Partager sur: