Fitsarana : hampiasaina ny « Diary fanarahan-draharaha »

Ho fanamorana sy hisorohana ny kolikoly eny amin’ny fitsarana, napetraka ny « Diary fanarahan-draharaha ». Fomba fiasa vaovao eny anivon’ny fitsarana izany.

Hampiasaina eny amin’ ny fitsarana ny «Diary fanarahan-draharaha» ( Carnet de Suivi). Ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­tenasoa Landy Mbolatiana no nanolotra izany teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, omaly. Natao hanamorana ny asan’ny fitsarana sy hisorohana ny kolikoly ny anton’izany. Araka ny fampitam-baovao, hita ao anatin’io diary io avokoa ny raharaham-pitsarana miseho eny an-toerana.
Anisan’izany ny fotoana handehanan’ny fitsarana, ny anaran’ny olona notoriana, ny laharan’ny varavarana hiakaran’ny raharaha sy izay rehetra mahakasika ilay raharaha. Tsy misy hirika hidiran’ny mpijirika sy hisian’ny kolikoly in­tsony, araka izany, amin’ny fampiasana ity diary ity. Nanamafy ny minisitry ny Fitsarana fa tafiditra ao ana­tin’ny mangarahara, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanafainganana ny raharaham-
pitsarana ny fampiasana ity «Diary fanarahan-draharaha» ity. Ny tompon-draharaha mivantana no manaraka ny fizotry ny fitsarana momba azy.

Nankasitraka ity fomba fiasa vaovao ity ireo mpisitraka ny raharaham-pitsarana. Nanambara izy ireo fa natao hitsinjovana ny vahoaka tokoa izany, araka ny fampitam-baovao, fanombohana ny teto Anosy fa hampiasana ity diary ity avokoa ny fitsarana manerana an’i Madagasikara.

Andry F.

Partager sur: