Takon’ny vola

Ohatry ny somary nangingina izany ny fiainana politika eto amin’ny tanàna. Asa ? Samy efa manomana ny eny an-kianja, hiatrehina ilay fifidianana depiote afaka vola vitsy ve?. Ny eny anivon’ny mpanatanteraka, somary tsy re feo ny mahakasika ny sekreteram-panjakana sy ny ho mpiara-miasa aminy. Mbola mitety tany, mamita adidy rahateo ny lehibeny isan-tsokajiny.
Etsy ankilan’izany, niaraha-nahita fa niakatra tahaka ny vidim-piainana ny antoka ho an’ny mpilatsaka hofidina solombavambahoaka. Nanonga avo dimy heny be izao ! Tsy natao ho an-jaza sy tsy ho an’olona sahirana. Izay tokoa ve no tena fepetra takin’ilay firenena sy ilain’ny vahoaka, ary hahatraran’ny filohan’ny Repoblika ny tanjona sy ny fampandrosoana napetrany ? Sarotra inoana ihany…
Mila olon-kendry sy vanona i Madagasikara. Safotry ny vola sy ny voninahitra ilay hasim-pirenena. Mikorosy andro aman’alina ny soatoavina. Mivaralila ny fiarahamonina. Tsy mahagaga ny firongatry ny tsy fandriampahalemana satria samy mitady izay harapany ny isam-batan’olona. Mibaribary loatra ny hantsana manasaraka ny sahirana sy ny mpanefoefo. Tsy takona afenina fa na farahidiny, na « ingahy ndriana » be no misy eto.
Mahazo laka ny kolikoly sy ny fandikan-dalàna, hany ka tsy misy mikatsaka afa-tsy ny hiditra am-paosiny. Nalevina impito mandifotr’olona ny etika. Na ireo rafitra natao hiady amin’ny kolikoly aza mibitaka satria hitobaka ny tetikasa sy ny volabe. Tsy miraharaha izay maridrefin’ny fahombiazana fa manao izay handroritana an’i Madagasikara ho gisitra hatrany.
Mahakivy sy mampalahelo ny zava-misy saingy mbola toriteny an-tany efitra aloha ny fisintonana lakolosy etsy sy eroa. Sarintsarin’ady avokoa no misy ary sarintsarim-bokatra ihany no azo ! Ataon-dravola tsy mahita mangirana avokoa !

r.r

Partager sur: