lisi-pifidianana : niakatra ny taham-pisoratana anarana

“Niakatra 11,7% ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana raha oharina tamin’ny voasoratra nandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy”, hoy ny fanambaran’ny Safidy, afakomaly, momba ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, 1 desambra 2023-15 febroary 2024 (Rale), nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Ana­lamanga no nahitana mpifidy vaovao nisoratra anarana be indrindra, nahatratra 51 423 (35%) ny fisoratana ana­rana narahi-maso. Vatovavy (628), Ihorombe (704), Betsiboka (724) kosa no faritra ambany indrindra ny isan’ny mpifidy vaovao nisoratra anarana.
Marefo ary tsy ampy ny fandraisana anjaran’ny firaisamonina sivily sy ny antoko politika ao amin’ny Vaomiera eo an-toerana misahana ny fanisana mpifidy (CLRE).
Na izany aza, 94,8% ny fokontany narahi-maso no manana CLRE, vehivavy ny 42%-n’ny olompirenena vao nisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy,  12,4% amin’ ny CLRE no tsy nanana didy fanendrena ho mpikambana,  89% amin’ny mpikamban’ny CLRE no milaza fa nahazo fiofanana momba ny fizotran’ny Rale.
Marefo ny fandraisan’anjaran’ny olona manana fahasembanana sy ny tanora eo anivon’ny CLRE. 75% amin’ny fokontany no nisy fivoriana momba ny fampidirana sy/na famafana ny mpifidy ao ana­tin’ny lisitry ny mpifidy, 57% amin’ny fokontany nanaovana fanaraha-maso no nanamafy ny tsy fisian’ny fepetra fanamorana ny fisoratana anarana ho an’ny olona manana fahasembanana.

R. Nd.

Partager sur: