Ora-nikija : roa lahy matin’ny ranotrambo

Vokatry ny orambe, lasan’ny ranotrambo tamin’ny alahady, ny raim-pianakaviana miisa roa, teny Ambatomirahavavy. Telo andro taty aoriana, hita teny an-tanimbary ny razana.

Telo andro nifampitadiavana tao anaty rano, hita faty afakomaly, ireo roa lahy matin’ny ranotrambo tao Ambatomirahavavy ny 18 febroary lasa teo. Tsy lavitra ny toerana nitondran’ny rano azy tao amin’ny fokontany Ankotsorano, kaominina Am­bato­mirahavavy, ihany no nahita azy ireo.
Tsy hita popoka izy ireo, nandritra ny ora-nikija tamin’ny alahady. Nifampitadiavan’ ny fianakaviany tao an-toerana ny vatan’ireo voalaza fa lasan’ny rano. Nanomboka ny harivan’ny alahady, nifanome tanana nanao izay ho afany nikarohana azy mirahalahy ny mponina. Tsy nahitam-bokany izany nandritra ny roa andro nisesy. Niandry ny rano hisinda raha teo olon-drehetra.

Razana simba

Tsikaritry ny mpandalo maraina ny fatin’izy roa lahy efa nitsirara teny an-tanimbary. Tsy lavitra ny toerana nahalasan’ny rano azy ireo no nahita ny razana, afakomaly. Razana efa simban’ny rano sisa no nalain’ny fianakaviana. Marihina fa raim-pianakaviana 41 taona sy 39 taona avy ao amin’ny fokontany Tsaratanàna, anatin’ny kaominina Ambatomirahavavy izy ireo. Niantso ny mpitsabo nanao ny fizahana ny razana ny tomponandraikitry ny fokontany. Voamarina fa tena maty an-drano izy mirahalahy. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiaka.
Marihina, olona am-polony namoy ny ainy nanerana ny Nosy nandritra ny ora-nikija niseho lany ny herinandro lasa teo.

Tsiferana R.

Partager sur: