Nirefondrefotra ny basy tao Toamasina sy Fianarantsoa. Roa lahy matin’ny polisy tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Niampy 14 lahy ireo voasambotra. Hetsika manokana nataon’ny polisim-pirenena no nahazoana izany. An-jatony ny fitarainanan’ny fokonolona manodidina ny fokotanin’Ankirihiry eo amin’ny bazary may sy manodidina ny Cite Haras. Faritra mena tsy azo lalovana vao manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva. Tsy azo ivoahana vao maraina be amin’ny 4 ora sy sasany ka hatrami’ny 5 ora sy sasany fa dia voahendaka sy voaratra. Tafiditra amin’ny hetsika « 100 andro » ny hetsika notarihin’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian,
Telo lahy kosa maty voatifitry ny polisy, tao Soahindrana, distrikan’i Vohibato, omaly. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana Cash point tao amin’ny tsenan’Anjoma, Fianarantsoa tampon-tanàna izy ireo, ny 22 janoary. Nanao ny paikady rehetra nikarohana ireo atidoha nikotroka ny fanafihana nitam-piadiana ny polisy. Sarona tao Soahindrana, distrikan’i Vohibato ireo olon-dratsy. Raikitra ny fifanenjehana. Nanohitra ny mpitandro filaminana hisambotra azy izy telo lahy. Vokany, maty voatifitra avokoa ry zalahy. Notanana atao famotorana lalina eny anivon’ny biraon’ny polisy ilay tompona moto nanaovana ny asa ratsy.
Sajo sy Tsiferana R.