VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 134 004 t ireo vokatra notanterina tamin’ny zotra an-dalamby nandritra ny 10 volana voalohan’ny taona 2023. Nahitana fitomboana hatrany amin’ny 48,89% izany raha oharina tamin’ny taona 2022 izay manodidina ny 90 534 T. Tombony amin’ny zotra an-dalamby ny fandalovany amin’ireo faritra tsy tongan’ny fiara izay manampy amin’ny fitaterana.

Hiara-hiasa ny Minae sy ny IPA amin’ny fampiroboroboana ny seha-pihariana akoho manaraka ny toetrandro. Misehatra amin’ny fiompiana akoho fakana nofo sy mpanatody lava ny IPA. Hapetraka ny politika sy ny paikady entina hampiroboroboana ny seha-pihariana. Hatao laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny famokarana katsaka.

Mivoatra ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana fanodidina ampiasan’ny orinasa Andao Company taorian’ ny famatsiam-bola azony tamin’ny alalan’ny tetikasa Fiha­riana. Hita taratra ny fironany mankany amin’ny sehatry ny indostrialy sy ny matihanina ka velom-bolo ny ekipan’ ny tetikasa Fihariana amin’ny firoboroboan’ny orinasa mpisitraka tarihina tanora mpandraharaha.

Napetraka ny zoma teo ny vato fototry ny ratsan-mangaikan’ny biraon’ny banky foiben’i Mada­ga­si­kara ao Antsirabe, faritra Vakinakaratra. Ho vita ao anatin’ny sivy volana ny asa rehetra. Tanjona ny fitsinjaram-pahefana amin’ny fanatanterahina ny asa samihafa. Noho izany, tsy voatery miakatra eto an-drenivohitra ny mponina raha misy filana maika.

Partager sur: